Pleiada (kintana)
Ny Pleiada na tangorona M45 dia tangoron-kintana hita amin' ny ila bolantany roa, ao amin' ny fari-danitry ny Adaoro. Ny halaviran' ny tangoron-kintana amin' ny Tany dia mbola iadian-kevitra, fa araka ny fomba fandrefesan-kalavirana samihafa ampiasaina dia eo amin' ny 444 taon-kazavana eo ho eo ny halavirany amin' ny Tany.
Fiavian' ny anarana
[hanova | hanova ny fango]Ny fiavian' ny anarana hoe Pleiada dia ireo zanak' i Atlas sy Pleionê fito mirahavavy: Asteropê, Meropê, Elektra, Maia, Taigetê sy Kelaino ary Alkionê.
Kintana
[hanova | hanova ny fango]Ny isan' ny kintana ao amin' io tangorona io dia eo amin' ny telo arivo eo ho eo; roa ambin'ny folo amin' izy ireo no hita maso. 2° ny fivelarany amin' ny lanitra, izany hoe in'efatry ny savaivon' ny Volana rehefa hita avy eto an-Tany. Ireo kintana sivy mangirana indrindra ao amin' ny tangorona dia mitondra ny anaran' ireo mpirahavavy fito ary ny ray aman-dreniny. Ny hazavan' izy ireo dia eo anelanelan' ny +2,86 sy +5,44 izany hoe hita maso.
Anarana | Fiantsoana | Herin-kazavana miseho (V) | Karazan'ilotro |
---|---|---|---|
Alkionê | Eta (25) Tauri | +2,86 | B7IIIe |
Atlas | 27 Tauri | +3,62 | B8III |
Elektra | 17 Tauri | +3,70 | B6IIIe |
Maia | 20 Tauri | +3,86 | B7III |
Meropê | 23 Tauri | +4,17 | B6IVev |
Taigetê | 19 Tauri | +4,29 | B6V |
Pleionê | 28 (BU) Tauri | +5,09 (miovaova) | B8IVep |
Kelaino | 16 Tauri | +5,44 | B7IV |
Asteropê | 21 Tauri | +5,64 | B8Ve |
22 Tauri | +6,41 | A0Vn | |
— | 18 Tauri | +5,65 | B8V |