Jôahaza (mpanjakan' i Jodà)
I Jôahaza na Jôakaza dia mpanjakan' i Jodà nandimy an' i Jôsia (na Jôsiasa) rainy tamin' ny taona 609 tal J.K. tamin' ny faha-23 taonany. Telo volana monja no nanjakany[1]. Niara-belona taminy ny mpaminany Jeremia izy.
Ny anarany
[hanova | hanova ny fango]Ny Tanakh (Baiboly hebreo) dia miantso azy hoe יְהוֹאָחָז / Yehoakhaz. Ny Septoajinta (Baiboly amin' ny teny grika) dia manoratra hoe Ιωαχαζ / Iôakhaz ary ny Volgata manoratra hoe Ioachaz. Ny Baiboly prôtestanta malagasy no ahitana ny hoe Joahaza fa ny Baiboly katôlika malagasy kosa manoratra hoe Jôakaza.
Ny tantarany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny nahafatesan' i Jôsia dia ny zanany faralahy, izay atao hoe Salôma ao amin' ny Bokin' i Jeremia (Jer. 22.11), dia nasandratry ny fivoriamben' ny vahoaka ho mpanjaka. Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.32) sy ny Bokin' i Jeremia (Jer. 22.15-16) dia tsy niraharaha ny fanavaozam-pivavahana nataon' i Jôsia rainy izy. Telo volana taorian' ny fanendrana azy dia nosamborin' ny farao Nekao II izy ka nogadrainy. Ny zokiny atao hoe Eliakima, lahimatoan' i Jôsia, no notendrena hisolo azy sady niova anarana hoe Jôiakima na Jôakima (hebreo: Yehôyaqîm)[2] fa izy kosa nataon' i Nekao sesitany tany Egipta (2Mpanj. 23.31-34) ary maty tany (2Mpanj. 23.34)[3].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Mpanjakan' i Jodà
Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Kautzsch, E. "Jehoahaz", The New Scaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge, Vol.IV, Samuel Macauley Jackson (ed.), Baker Book House, Grand Rapids, Michigan (1953)
- ↑ Encyclopédie Larousse du XXe siècle, Paris, 1932
- ↑ Philip J. King, Jeremiah: An Archaeological Companion (Westminster John Knox Press, 1993), page 20.