Aller au contenu

Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy

Avy amin'i Wikipedia
Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy natonta tamin' ny taona 2013.

Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy dia dikan-tenin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy ampiasain' ny fiangonana prôtestanta miteny malagasy amin' ny fotoam-pivavahana. Ny fandikan-teny tamin' ny taona 1909, izay nasiam-panitsiana madinika tamin' ny taona 1965 avy eo tamin' ny taona 2011, no ampiasaina amin' izao fotoana izao. Io Baiboly io no ampiasain' ny fiangonana prôtestanta toy ny Fiangonan' i Jesoa Krisy eto Madagasikara, ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Eklesia Episkopaly Malagasy sns. sy ny fiangonana evanjelika sy pentekôtista maro manerana an' i Madagasikara. Mitondra ny anarana hoe Ny Baiboly ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy.

Ny tantaran' ny Baiboly prôtestanta malagasy dia ampahany lehibe amin' ny tantaran' ny Baiboly sy ny tantaran' ny kristianisma eto Madagasikara.

Tantaran' ny Baiboly prôtestanta malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Baiboly prôtestanta no azo lazaina ho zokiny tamin' ny dikan-tenin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy. Tamin' ny taona 1822 ny misionera dia efa afaka nanoratra ny fiteny malagasy merina tamin' ny fampiasana ny abidy latina.

Fanombohan' ny fandikan-teny

[hanova | hanova ny fango]

I David Jones (tonga tao Antananarivo tamin' ny 04 Ôktôbra 1820) sy i David Griffiths (tonga tao Antananarivo tamin' ny 15 Mey 1821), izay samy avy amin' ny London Missionary Society (LMS) avy any Angletera no nanomboka nandika ny Baiboly tamin' ny teny malagasy. Nisy koa ny Malagasy nanampy azy ireo tamin' ny fandikan-teny.

Tamin' ny 01 Janoary 1827 dia vita dika ny toko voalohany amin' ny Filazantsaran' i Lioka. Tamin' ny taona 1830 no vita tanteraka ny Testamenta Vaovao ka 3 000 no natonta printy teo anelanelan' ny taona 1829 sy 1830[1]. Tamin' ny taona 1835 dia vita dika manontolo ny Baiboly. Vitan' i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy voalohany tamin' ny 21 Jona 1835[1].

Fandrarana ny fananana Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1831 dia voarara ny fananana Baiboly sy ny fivavahana kristiana sady noroahina hody ny misionera tamin' ny andron' ny mpanjakavavy Ranavalona I (nanjaka teo anelanelan’ ny taona 1828 sy 1861)[2]. Novonoina ho faty na nampisotroina tangena izay tratra mitazona Baiboly[3] [4].

Fiverenan' ny fahalalahan' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fitondran-dRadama II (nanjaka tao anelanelan’ ny taona 1861 sy 1863)[3] sy Rasoherina (nanjaka teo anelanelan’ ny taona 1863 sy 1868) dia niverina nalalaka indray ny fivavahana kristiana sy ny famakiana Baiboly. Namoaka didy famerenana ny fahalalahan' ny fivavahana kristiana tanteraka ny mpanjakavavy Ranavalona II (nanjaka teo anelanelan' ny taona 1883 sy 1896), izay nandimby an-dRasoherina, sady niova ho kristiana, ka nalalaka ny fananana sy ny famakiana ny Baiboly nasoloy ny sampy izay nampandoroiny[5].

Ny Baiboly, izay nitombo isa hatrany, no boky voatonta printy voalohany amin' ny fiteny malagasy[6] ary nanjary lahatsoratra filamatra teo amin' ny fampianarana haisoratra malagasy[7].

Ny fiangonana mampiasa Baiboly prôtestanta

[hanova | hanova ny fango]

Ny Loterana sy ny Nohavaozina ary Anglikana

[hanova | hanova ny fango]

Mampiasa ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy ny fiangonana prôtestanta rehetra eto Madagasikara. Tonga teto Madagasikara tamin' ny vanim-potoana faha mpanjaka ny prôtestantisma. Misy antokom-piangonana maro tonga teto Madagasikara, fa ny roa voalohany tonga teto dia ny loteranisma sy ny kalvinisma (na presbiterianisma) izay nipoiran' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Tsy ireo ihany no fiangonana prôtestanta fa ao koa ny Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (METM), ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky (FMTA), ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara (FPVM), ny Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana) (EEM). Ny mpivavaka maro ao amin' ny FJKM, rehefa mamaky Baiboly ka tandrify amin' ny soratra hoe Jesosy dia mamaky hoe "Jesoa".

Ny Adventista sy ny Evanjelika sns

[hanova | hanova ny fango]

Mampiasa ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra, ny Assemblée de Dieu (Fiangonan' Andriamanitra) sy ny fiangonana pentekotista sy evanjelika (na ara-Pilazantsara) maro samihafa miparitaka eto Madagasikara, raha mbola tsy manana dikan-tenin' ny Baiboly azy manokana. Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy no nampiasain' ny Vavolombelon' i Jehovah eto Madagasikara talohan' ny namoahany ny dikan-teniny manokana. Ny mpivavaka amin' ny fiangonana sasany, rehefa mamaky Baiboly, ka tandrify ny teny hoe Jesosy, dia mamaky hoe "Jesoa".

Fandikana sy fanitsiana ny Baiboly prôtestanta amin 'ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny fandikan-teny nifanesy

[hanova | hanova ny fango]

Fandikan-teny voalohany

[hanova | hanova ny fango]

I David Jones no niandraikatra ny fandikan-teny ny Baiboly ho amin' ny teny malagasy voalohany. Niara-niasa taminy i David Griffiths, i Jeffreys, i James Cameron ary i J.J. Freeman. Nanampy koa ny mpianatra malagasy tamin' izany fotoana izany. Tamin' izany koa no nifanarahana tamin' ny mpanjaka Radama I (izay maty tamin' ny taona 1828) momba ny toetoetran' ny abidy hanoratana ny teny malagasy. Noraketina tamin' ny taona 1823 fitsipi-pitenenana malagasy sy ny abidy (izay nampiasa tarehin-tsoratra latina). Indraidray dia teto Madagasikara no nanaovana ny fandikan-teny, fa indraindray koa tany an-dafy, tany Maorisy. Vita tamin' ny taona 1830 ny fandikan-teny ny Testamenta Vaovao, ka i Baker no niandraikitra ny fanaovana printy izany. Vita tamin' ny taona 1835 ny fanontana printy ny Baiboly manontolo.

Tsy nadika avy amin' ny Baiboly amin' ny teny anglisy ny Baiboly amin' ny teny malagasy voalohany fa avy amin' ny Testamenta Taloha amin' ny teny hebreo sy ny Testamenta Vaovao amin' ny teny grika. Noho ny hamaroan' ny mpandray anjara tamin' ny fandikan-teny dia tsy nitovy ny fomban' ny teny malagasy tao amin' io Baiboly vita io, hany ka nisy ny tena tsy nahafa-po.

Fandikan-teny faharoa

[hanova | hanova ny fango]

I Griffiths no niandraikitra ny fandikan-teny faharoa tany Angletera. Nanampy azy i Freeman, avy eo i Meller. Tsy nisy ny Malagasy nandray nandray anjara tamin' izany asa izany. Nivoaka tamin' ny taona 1855 ny Testamenta Vaovao. Vita tamin' ny taona 1865 ny Testamenta Taloha, nefa efa nisy ampahany tsy nandraisan' i Griffiths anjara noho ny fahafatesany tamin' ny taona 1863. Tsy azoazon' ny Malagasy izany Baiboly izany noho ny fomban' ny teny malagasy nampiasaina tsy nahafa-po. Efa ny mpanjaka Ranavalona II, izay nanao ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana, no nanjaka tamin' izay. Niezaka nampanaraka ny fitsipiteny malagasy ny mpanao fanitsiana ilay Baiboly. Nahitsy ny Testamenta Vaovao ka vita tamin' ny taona 1869 izany sady navoaka tamin' ny taona 1870.

Fandikan-teny fahatelo

[hanova | hanova ny fango]

Fanitsiana nandraisan' ny misiona maro anjara ity indray mitoraka ity (nanampy tamin' izany ny misiona nôrveziana sy ny misiona anglikana ary ny misiona frenjy). Ny mpandray anjara lehibe tamin' izany dia i Lars Dahle (Nôrveziana) sy i W. E. Cousins (Britanika) ary Andrianaivoravelona (Malagasy), nefa tsy izy telo ireo ihany no nandray anjara tamin' izany fa nisy ampolony maro koa. Vita tamin' ny taona 1887 ny fandikan-teny izay naharitra telo ambin' ny folo taona. Ny fanoratana ny teny malagasy ao amin' ity Baiboly ity no lasa filamatra ho an' izay manoratra amin' ny teny malagasy tamin' izany fotoana izany, na taty aoriana aza.

Nisy ny fanitsiana natao tamin' ny taona 1908 izay momba ny fanoratana ny teny malagasy. Fanitsiana maivana anefa no natao fa tsy tena niditra lalina ka mahatonga ny endriky ny teny malagasy ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy somary ntaolontaolo fiteny kokoa raha mitaha amin' ny Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy izay nivoaka tamin' ny taona 1938. Io no atao hoe Baiboly Malagasy 1909.

Fanitsiana ny dikan-tenin' ny Baiboly Malagasy 1909

[hanova | hanova ny fango]

Hatramin' izao (2020) dia mbola tsy nilaza ho nanao dikan-teny vaovao ny Baiboliny ny Prôtestanta eto Madagasikara. Fanitsiana ny Baiboly Malagasy 1909 hatrany no misy. Tsy nekena ny dikan-teny vaovao natao tamin' ny taona 2011.

Fanitsiana nivoaka tamin' ny taona 1965

[hanova | hanova ny fango]

Ankoatry ny fanitsiana natao tamin' ny taona 1908 dia nisy ny fanitsiana natao taty aoriana, navoaka tamin' ny taona 1965 izay niandraiketan' ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Izany Baiboly izany (Baiboly Malagasy edisiona 1965) no namiasain' ny Prôtestanta malagasy maro nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-20 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-21.

Fanitsiana navoaka tamin' ny taona 2013

[hanova | hanova ny fango]

Nisy ny fanitsiana maivana natao taty aoriana izay nitondrana fanitsiana ny fanoratana ny teny malagasy. Navoakan' ny Bibles et Publications Chrétiennes any Valence tamin' ny taona 2013 izany Baiboly izay fantatra amin' ny anarana hoe Baiboly Malagasy 2013. Ity fanitsiana ity dia fanitsiana fahenina ny Baiboly vita tamin' ny taona 1965.

Tsy nisy fanitsiana niantraika amin' ny hevitry ny lahatsoratry ny Baiboly, fa ny tsipelina no nohavaozina. Ny tsipelina tranainy sy diso rehetra dia nahitsy: maro ny fomba fanoratra izay nampiasaina tamin' ny taonjato faha-19, no heverina fa diso taty antenatenan' ny taonjato faha-20. Nahitsy ihany koa ny fahadisoana maro momba ny fampiasana ny mari-piatoana, izay hita tamin' ny fanontana tamin' ny taona 1909 sy 1965.

Ireto misy ohatra amin' ny fanitsiana natao: ny teny hoe hianareo dia nosoloana ny hoe ianareo, ny hoe odorana dia nosoloana ny hoe dorana, ny hoe aizina dia nosoloana ny hoe haizina. Manaja kokoa ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy ankehitriny izany fanitsiana izany. Na dia izany aza dia voatazona ihany ny fomba fanoratra sy ny fandrafetana andian-teny tsy mifanaraka amin' ny fitsipi-panoratana sy ny fitsipiteny malagasy ankehitriny. Ohatra amin' izany ny fanoratana ny "y faran-teny" any anaty teny (toy ny hoe Babylona, Egypta, Syria), ny tsy fametrahana ny mpanoritra "i" mialoha ny anaran-tsamirery mitana anjara asa lazaina na manomboka amin' ny zanatsoratra "I-".

Indreto misy ohatra amin' ny fanovana madinika natao. Ny hoe "lalàn' i Jehovah" dia novana hoe "lalànan' i Jehovah" (Eksôdosy 13:9). Ny hoe "toetray" dia lasa hoe "toetranay" (Isaia 64:4). Ny hoe "tratro" sy "tratrao" dia novana hoe "tratrako" sy "tratranao" (1Samoela 30:8). Ny hoe "rafozanivavy" dia nosoloana ny hoe "rafozambaviny" (Matio 10:36). Ny hoe "Zanani-lahy" nosoloana ny hoe "Zanany lahy" (Rômana 8:32). Ny hoe "fiainan-tsi-hita" nosoloana ny hoe "fiainan-tsy hita" (Genesisy 37:35) Ny hoe "mpanan-karena" nosoloana amin' ny hoe "mpanankarena" (1Timôty 6:17). Ny hoe "asaovy" lasa hoe "asaivo" (Matio 28:10). Ny hoe "isan' andro" nosoloana hoe "isanandro" (Ezra 6:9). Ny hoe "bibi-dia any an-efitra" dia nosoloana ny hoe "bibidia any an' efitra" (Jeremia 50:39). Ny hoe "trano-maizina" (1Petera 3:19) lasa hoe "tranomaizina". Ny hoe "sariety" nosoloana ny hoe "sarety" (1Samoela 6:7). Ny hoe "lapoely" novana hoe "lapoaly" (Ezekiela 4:3). Ny hoe "kopen' ny" dia novana hoe "kopian' ny" (Estera 3:14).

Dikan-teny vaovao tamin' ny taona 2011

[hanova | hanova ny fango]

Ny dikan-teny vaovao tamin' ny taona 2011 dia miavaka amin' ireo natao teo aloha noho ny nanoloana ny teny hoe Jehovah amin' ny hoe Tompo sy ny fanoloana ny teny sasany ary ny fanitsiana rafi-pehezanteny. Tsy io ihany no teny nosoloina fa ao koa ny ampahany amin' ny voambolana malagasy taloha izay efa manana hevitra hafa amin' ny fiteny malagasy ankehitriny, toy ny hoe kapôty (izay ilazana karazam-pitafiana taloha) sy ny rafi-pehezanteny tsy mifanaraka intsony amin' ny fomba fitenenana ny teny malagasy ankehitriny. Misy koa ny fanavaozana ny dikan-teny hanitsiana fahadisoana hita ao amin' ny Baiboly vita tamin' ny taona 1965. Tsy ny teny malagasy ihany no voahitsy fa ny fahadisoan-kevitra tamin' ny nandikana ny Baiboly avy amin' ny teny fototra hebreo sy grika taorian' ny fahitana soratanana tao Komrano tamin' ny taona 1947 hatramin' ny 1956 izay niteraka fanarenana ny dikan-tenin' ny Baiboly any amin' ny firenena maro hafa koa.

Tsy nankasitrahan' ny mpino prôtestanta maro izany Baiboly vaovao izany, indrindra noho io fanesorana ny anaran' Andriamanitra hoe Jehovah io, izay efa tsy hita tao amin' ny Baiboly prôtestanta sasany amin' ny teny frantsay (ohatra, ny Bible Louis Segond, izay mampiasa ny hoe "l'Eternel", izany hoe "ny Mandrakizay") sy amin' ny teny anglisy (ohatra, ny King James Version, izay mampiasa ny hoe the "Lord", izany hoe "Tompo"). Milaza anefa ny manam-pahaizana malagasy momba ny Baiboly fa tsara ho an' ny olona mpandalina Baiboly izany dikan-teny izany na dia tsy hovakina ampahibemaso amin' ny fotoam-pivavahana aza.

Inty misy ohatra fampitahana ny fomba fandikan-teny ao amin' ny Baiboly malagasy samihafa:

Mika 2.8 Mpitsara 5.13
Baiboly prôtestanta 1908 "Vao omaly no omaly no nitsanganan' ny oloko ho fahavalo; endahanareo hiala eo amin' ny lamba ny kapôtin' izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady." "Tamin' izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin' ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery."
Baiboly katôlika 1938 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin' ny akanjo; ny mizotra tsy manan' ahiahy, ataonareo fahavalo. Midìna amin' izay ny sisan' ny andriana amin' ny vahoaka! Midìna ho aty amiko, Iaveh, eo amin' ireo olo-mahery!
Baiboly DIEM 2004 “Nitsangan-ko fahavalon’ ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny. Nirohotra nankany amin’ ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ ny TOMPO niaraka tamin’ ireo lehilahy mahery fo.
Baibolin' ny Vavolombelon' i Jehovah 2008 Vao omalin’ omaly ny oloko no nitsangana ho tena fahavalo. Ny haingo mihaja dia endahanareo amin’ ny tratran’ akanjon’ ny mpandalo, izay tsy manana ahiahy toy ny olona avy tany an’ady. Tamin’ izay ireo sisa tsy maty noo nidina tany amin’ ireo ol-manankaja. Nidina ho aty amiko ny vahoakan’ i Jehovah mba hiady amin’ ny olomahery.
Baiboly prôtestanta 2011 "Vao omaly no omaly no nitsanganan' ny oloko ho fahavalo; endahinareo hiala amin' izay mandeha tsy manana ahiahy avy any an' ady ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany." "Tamin' izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin' ireo mahery fo; ny vahoakan' ny Tompo dia nidina homba ahy koa niaraka tamin' ireo mpiady mahery."
Baiboly katôlika 2011 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny akanjobeny endahanareo hiala eo ambonin’ ny akanjo; ny mizotra tsy manan’ ahiahy, ataonareo fahavalo. I Israely dia nirohotra mankeny amin’ ny lehibeny; ny vahoakan’ ny Tompo dia mirohotra teo amiko miaraka amin’ ireo lehilahy maherifo.
Baiboly prôtestanta 2013 "Vao omaly no omaly no nitsanganan' ny oloko ho fahavalo; Sendahanareo hiala eo amin' ny lamba ny kapôtin' izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady." "Tamin' izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin' ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery."

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 et 1,1 Ralibera, Daniel; De Taffin, Gabriel (1993). Madagascar et le christianisme. Paris: Karthala Editions. ISBN 978-92-9028-211-2, p. 196
  2. Ralibera, Daniel; De Taffin, Gabriel (1993). Madagascar et le christianisme. Paris: Karthala Editions. ISBN 978-92-9028-211-2, pp. 222–223
  3. 3,0 et 3,1 Oliver, Samuel (1886). Madagascar: An Historical and Descriptive Account of the Island and its Former Dependencies, Volume 1. New York: Macmillan and Co. Retrieved 3 February 2011., pp. 60–63
  4. Cousins, W.E. (1877–1878). "Since 1800 in Madagascar". The Sunday Magazine for Family Reading. Vol. 1. London: Daldy, Isbister & Co. pp. 405–410.
  5. Thompson, V.; Adloff, R. (1965). The Malagasy Republic: Madagascar today. San Francisco, California: Stanford University Press. ISBN 978-0-8047-0279-9. pp. 9–10
  6. London Missionary Society (1877). "The Sunday Magazine". London: Daldy, Isbister & Co. pp. 647–648. Retrieved 12 February 2011.
  7. Sharp, Leslie (2002). The Sacrificed Generation: Youth, History, and the Colonized Mind in Madagascar. Berkeley, CA: University of California Press. ISBN 978-0-520-22951-8. Retrieved 2 February 2011.