Ganga
Fiseho
I Ganga dia ony any Azia izay mamakivaky an' i India sy Bangladesy. Atao hoe गंगा / Gaṅgā izy amin' ny teny hindy ary گنگا amin' ny teny ordo any India, ary গঙ্গা / Gōnga amin' ny teny bengaly, fa Padma kosa any Bangladesy.
Mirefy 2 525 km ity ony ity ary mipoitra any amin' ny faritra andrefan' i Himalaià any amin' ny fanjakan' i Uttarakhand any India. Mikoriana mianatsimo sy miantsinanana mamakivaky ny Lemak' i Ganga any avaratr' i India izy io, ary mihazo an' i Yamuna, sakeli-drano ankavanana, izay mipoitra any amin' ny faritra andrefan' i Himalaya Indiana, ary ny sakeli-drano ankavia maromaro avy any Nepaly izay miantoka ny ampahany betsaka amin' izany.