Angovon' ny masoandro

Ny angovon' ny masoandro dia angôvo avy amin' ny taratry ny masoandro tonga eto amin' ny Tany. Mampisy ny fihetsehan' ny rano sy ny rivotra ary ny fôtôsentezy ataon' ny zavamaniry mba hahafahan' ny biby miaina ny angovon' ny masoandro eto an-tany. Fototry ny angovo rehetra misy eto an-tany izany ny angovon' ny masoandro, afatsy ny angovo nokleary sy ny jeôtermia ary ny angovon' ny famonta. Mampiasa ny angovon' ny masoandro ny olombelona mba hamadika azy ho lasa karazan' angovo hafa: angovo ara-tsakafo, angovon-ketsika, angovon-kafana, aratra na biômasy. Matetika ny andian-teny hoe "angovon' ny masoandro" no ampiasaina mba hanondroana ny angovon' aratra na ny angovon-kafana azo avy aminy.

Eny amin' ny habakabaka dia azo ampiasaina ny angovon' ny voankazavana, amin' ny alalan' ny lay ohatra.
Harena natoraly ny masoandro
[hanova | hanova ny fango]Avy amin' ny fiempo nokleary mitranga ao anatiny ny angovon' ny masoandro. Miparitaka manerana ny tontolo izany amin' ny alalan' ny fipariahana elektrômanetika – voankazavana.
Ny angovon' ny masoandro azo eo amin' ny faritry ny bolantany dia miankina amin' ny:
- angovo avoakan' ny masoandro (fiovana ara-potoana)
- fisian-drahona (zavona, rahona sns.), lehibe eo amin' ny fehibe noho ny any amin' ny faritra anelanelan' ny trôpika.
- ny laharam-pehintany, ny fotoana, ny ora mampiova ny haavon-toeran' ny masoandro ary noho izany ny angovo isaky ny metatra toradroa, ary koa ny fisian-drahona any amin' ilay faritra.
Amin' ny ankapobeny, ny Tany dia mahazo angovo 170 tapitrisa GW, ka ny 122 amin' izany no lasany ary averiny any amin' ny habakabaka ny ambiny. Noho izany, ny angovo lanin' ny Tany dia 3 850 zettajoule (1 ZJ = 1021 J); raha oharina amin' ny angovo vokatra amin' ny sasany 3 ZJ no alain' ny fôtôsentezy, 2,2 ZJ no alain' ny rivotra, 0,5 ZJ no vokarin' ny olombelona ary 0,06 amin' io no avy amin' ny aratra.
Tsara toerana ho an' ny fakana angovon' ny masoandro ny toerana misy tany efitra, tsy dia be rahona ary eo amin' ny faritra anelanelan-trôpika. Ny ankabeazan' ny tany efitra, akaikin' ny toeran' ny mandroso, dia mihinana angovo ary manana ny teknika fangalana ny angovon' ny masoandro; noho izany any amin' ny faritra maro dia misy tetikasa mihalehibe momba ny fanaovana aratra amin' ny alalan' ny angovon' ny masoandro. Ny tena lehibe amin' ireo dia ny any amin' ny tany efitr' i Mojave (California), mamoaka tanjaka 354 MW.
Fomba fakana ny angovon' ny masoandro
[hanova | hanova ny fango]Efa misy ny fomba fakana ny angovon' ny masoandro ary manatsara izany foana ny orinasa ankehitriny. Amin' ny fomba fakana ny angovon' ny masoandro, azo avahana ny masoandro pasiva, ny masoandro fôtôvôltaika ary ny masoandro termika.