Alatsinainy
Ny Alatsinainy dia andro voalohany amin' ny herinandro na andro faharoa raha manomboka amin' ny andro Alahady ny fanisana ny andro. Ho an' ny Malagasy mandala ny nentin-drazana dia andro fahadimy izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.
Fiavian' ny teny hoe Alatsinaniny
[hanova | hanova ny fango]Ny teny malagasy hoe Alatsinainy na Latsinainy na Tinainy dia avy amin' ny teny arabo hoe الإثنين / al-ithnayn izay midika hoe "ny faharoa".
Ny andro Alatsinainy ao amin' ny kolontsaina malagasy
[hanova | hanova ny fango]Laharan' ny Alatsinainy
[hanova | hanova ny fango]Andro fahadimy tamin' ny Ntaolo, manao ny andro Alakamisy ho andro valohany, ny Alatsinainy[1].
Finoana momba ny andro Alatsinainy
[hanova | hanova ny fango]Andro mafy sy mainty ny Alatsinainy: andro fandevenana, tsy isantaran-javatra. Fady ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana. Tsy azo atao ny misanta-draharaha na manomboka asa amin' ny andro Alatsinainy. Ny zavatra hamafisina na amboarina amin' ny trano, na ny tokantrano, ny fihavanana, dia atao amin' ny Alatsinainy[1].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Tetiandro gregôriana: Janoary, Febroary, Marsa, Avrily, Mey, Jona, Jolay, Aogositra, Septambra, Ôktôbra, Nôvambra, Desambra.