Qom
34°38′24″N 50°52′35″E / 34.640100°N 50.876400°E
Qom | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 900 000 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Iran | |
Faritany | Qom | |
Faritra | NC |
I Qom dia tanàna ao amin’ ny faritra afovoan’ i Iràna, miorina eo amin’ ny renirano Rud-e Qom, renivohitry ny faritanin' i Qom. 150 km ao atsimon' i Teheran no misy azy.
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]Fihaonan-dalana sy fihaonan-dalamby any amin' ny faritra misahana manokana ny fambolena voamadinika, landihazo, voankazo, mafihoditra (noix) ary voninkazo pavot (Papaver), ity tanàna ity, izay manana orinasa mpanamboatra lamba landihazo, kiraro, fanaka vita amin’ ny tanimanga sy amin’ ny vato fitaratra.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]I Qom dia iray amin' ny tanàna masina ao Iràna. Ao no misy ny fasan' i Fatimah Masumeh, anabavin' ny imam Ali ar-Rida, toerana fivahiniana masina isan-taona ho an' ny Mozilmana Siita an' arivony. Ao koa no misy ny fasan' ny mpanjaka safavida maro, ny môskea, ny bazary ary ny tranombako-panjakana. Ny oniversite islamika ao Qom no lehibe indrindra amin' ny tontolon' ny Siita.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Niorina tamin' ny taonjato faha-9 io tanàna io, izay noravan' i Tamerlan tamin' ny taonjato faha-14 sy ny Afgana tamin’ ny taonjato faha-18. Tanindrazan’ ny ayatollah Khomeini izy sady renivohitry ny faritanin' i Qom hatramin' ny taona 1938. Nandritra ny taona 1930 no nivoaran' ny sehatry ny taozavabaventy tao amin’ io tanàna io.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny isan' ny mponina dia 900 000 tamin' ny taona 2016.[1]