Zakaria (rain' i Joany)

I Zakaria dia mpisorona rain' i Joany Batista sady vadin' i Elizabeta, araka ny lovantsofina kristiana, mitovy amin' izany koa ny lovantsofin' ny fivavahana mandeana sy silamo. Ahitana firesahana ny amin' i Zakaria ny ao amin' ny Evanjelin' i Lioka sy ao amin' ny Prôtevanjelin' i Jakôba ary ao amin' ny Kor'any. Ao amin' ny Kor'any dia voalaza fa mpaminanin' ny finoana silamo i Zakaria. Ao amin' ny lovantsofina miozolmana dia atao hoe Ashâ ny vadin' i Zakaria renin' i Joany (arabo: Yahyâ).
Atao hoe זכריה Zəḵaryāh i Zakaria amin' ny teny hebreo, izany anarana izany dia midika hoe "Mahatsiahy i Yah" (Yah: fanafohezana ny hoe Yahweh, anaran' Andriamanitra). Amin' ny teny grika kosa dia Ζαχαρίας / Zacharias. Amin' ny teny arabo dia atao hoe زَكَـرِيَّـا / Zakariyyāʾ izy.