Samôrô (vahoaka)
Fiseho

Ny Samôrô na Tsamôrô dia ny vahoaka teratany ao amin' ny vondro-nosy Mariana, mizara ara-pôlitika eo amin' ny fizaran-tanin' i Etazonia ao Guam sy ny Commonwealth amerikana' ao amin' ny vondro-nosy Mariana Avaratra any Mikrônezia. Misy mponina samôrô na taranaky ny Samôrô ny any Hawaii sy any amin' ny morontsiraka andrefan' i Etazonia, indrindra any California. Miteny samôrô, izay fiteny malaiô-pôlineziana, izy ireo.