Relijiozy vavy
Apparence
Ny relijiozy vavy na moanina vavy na masera dia mpikambana ao amin' ny fikambanana ara-pivavahan' ny vehivavy, izay manaiky hankatò ny voadin' ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fankatoavana.
Rehefa misafidy ny hanokana ny fiainany amin' ny fanompoana ny hafa izy dia atao hoe rahavavy apôstôlika. Raha miala amin' ny fiarahamonina izy mba hiaina fiainam-bavaka sy fisaintsainana, dia atao hoe moanina vavy, mitodika any amin' Andriamanitra ao amin' ny mônastera na toeram-pihibohana.
Ao amin' ny fivavahana kristiana (katôlika, ôrtôdôksa, anglikana, loterana), ary koa ao amin' ny fivavahana jaina, bodista, taôista ary hindo.