Lea (vadin' i Jakôba)
Fiseho

I Lea (hebreo : לֵאָה / Leah ) dia vehivavy resahina ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly, vadin' i Jakôba voalohany izy. I Labana no rainy ary i Rahely, izay mbola vadin' i Jakôba ihany koa, dia zandriny iray tampo aminy. Niteraka zazalahy enina tamin' i Jakôba izy, dia i Robena, i Simeôna, i Levy, i Jodà, i Isakara ary i Zebolôna -- sy zazavavy iray, dia i Dina.