Aller au contenu

Kôrà

Avy amin'i Wikipedia
Ny fahafatesan' i Kôrà sy i Datana ary i Abirama, sary nataon' i Gustave Doré, 1865.

I Kôrà na Kôre zanak' i Izehara (na Jizara na Isaara), dia olona resahina ao amin' ny Bokin' ny Nomery ao amin' ny Testamenta Taloha (Baiboly hebreo) sy andininy efatra samihafa ao amin' ny Kor'any, izay lazaina fa nitarika fikomiana manohitra an' i Mosesy (na Môizy) sy Aarona nandritra ny fiampitana ny tany efitra (Nomery, toko faha-16). Io no nakana ny anaran' ny parasha atao hoe Qora'h ao amin' ny jodaisma. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe קֹרַח‎ / Qōraḥ; fa amin' ny teny arabo kosa dia : قارون / Qārūn. Ny anarana hoe Kôrà na Kôre koa dia ampiasaina amin' ny olona iray, fara fahakeliny, ao amin' ny Baiboly hebreo: Kôrà (zanak' i Esao).