Jilin
Apparence
I Jilin dia faritany ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny isan' ny mpona ao aminy dia 24 tapitrisa tamin' ny taona 2020, izay monina amin' ny velaran-tany mirefy 187 400 km2. I Changchun (izay misy mponina 3,7 tapitrisa) no renivohi-paritany; i Jilin, i Siping, i Songyuan, i Liaoyuan ary i Tonghua kosa no tanàn-dehibe hafa.
Tahaka ny any amn' ny ilany avaratra-atsinanan' i Sina dia nampiroborobiana tao Jilin koa ny indostria tany am-boalohany. Noho ny fisandratana ara-toekarenan' ilay firenena sy ny tsy fampiankinana ny orinasa avy amin' ny fitantanan' ny fanjakana dia sahirana amin' ny famadihana ny indostria mavesatra, izay ivon' ny asa ara-toekareny hatramin' izay, ilay faritany.