Harmônia
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e8/John_Church_and_Co._reed_organ.jpg/279px-John_Church_and_Co._reed_organ.jpg)
Ny harmônia dia zavamaneno tsofina, izany hoe mandeha amin' ny rivotra, misy lela metaly manify maro mipararetra anaty fefimerana mamoaka feo, misy andalan-kitendry sy tafoforana voizin-tongotra (amin' ny ankapobeny) izay miantoka ny rivotra hampanenoana azy.
Mora kokoa noho ny ôrga ny harmônia izay nampiasaina betsaka any amin' ny trano fiangonana kely sy any an-tranon' olon-tsotra tamin' ny taonjato faha-19, saingy voafetra kokoa ny hamafin' ny feony sy ny karazam-peo ao aminy. Matetika ny harmônia no manana andalan-kitendrin-tanana iray na indraindray roa, fa ny kitendrin-tongotra kosa dia tsy fahita firy. Manana karazam-peo maro kokoa ny harmônia tsara, ary matetika koa no fanaka tena tsara voatra ny vatan' ny harmônia natokana ho an' ny fiangonana sy ny tranon' ny mpanankarena.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0c/Harmonium_20151009_%2823914086965%29.jpg/186px-Harmonium_20151009_%2823914086965%29.jpg)
Ankoatry ny harmônia mahazatra dia misy ny manana endrika kely kokoa. Lasa fitaovana ampiasaina indrindra ao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana ny harmônia indiana izay azo entina mandehandeha sady misy tafoforana voizina amin' ny tanana - nalaina tahaka amin' ny harmônia kely mpiasain' ny Tandrefana amin' ny hampianarana hira na mozika tamin' ny taonjato faha-19, atao amin' ny teny frantsay hoe "guide-chant". Ampiasain' ny Siky sy ny Hindo ary ny Mozilmana, amin' ny karazan-kira fampaherezam-panahy, toa ny qawwali, ny ghazal, ny kirtan ary ny bhajan, ny harmônia indiana.