Goavy (zavamaniry)


Ny goavy dia zavamaniry fihinam-boa avy any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany any Amerika, nefa afaka maniry amin' ny faritra kôntinenta hafa manana izany toetany izany ihany koa. Ao amin' ny fianakaviana des Myrtaceae ity zavamaniry ity zay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Psidium guajava. Hazo tsy dia avo ny goavy, izay mety mahatratra 8 m. Somary lavalava ny raviny izay voarakotry ny volovolo madiika ao amin' ny lafiny ambany. Misy amin' ny ravin-goavy ny mahatratra halavana 15 sm sy sakany 7 sm. Ny bibikely no miantoka ny fitondrana ny lahim-bony mankeo amin' ny vavim-bony ka ahafahan' ny goavy hamoa. Azo hanina tsy misy fikarakarana afa-tsy ny fanadiovana azy ny voan-goavy masaka. Azo atao koa ny manamboatra ranom-boankazo amin' ny goavy.
Ny ravin-goavy avy nosasana dia azo tsakoina na alona anaty rano ka sotroina raha misy traran' ny fivalanana mipiriritra.