Fiteny bolgariana

Ny fiteny bolgariana dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana ao amin' ny vondrom-piteny slava indrindra ao amin' ny fiteny slava atsimo, iray amin' ny zana-bondrona telo. Mifampitohy amin' ny fiteny hafa ao amin' io zana-bondrona io ny fiteny bolgariana ka anisan' izy ireo ny fiteny serbô-krôaty sy ny fiteny slôvena sy ny fiteny makedôniana ary ny fiteny slava tranainy.
Ny fiteny bolgariana no fiteny ôfisialin' i Bolgaria izay ahitana mpiteny azy betsaka sady iray amin' ny fiteny ôfisialy 24 ao amin' ny Vondrona Eorôpeana io fiteny io.

Ahitana mpiteny bolgariana koa ao amin' ny firenena manakaiky an' i Bolgaria, sahala amin' i Okraina, i Môldavia, i Makedônia Avaratra, i Romania, i Grisia ary i Torkia, ao amin' ny sisin-tany andrefan' i Serbia, ary ao amin' ny vahoaka vitsy ao amin' ny firenena maro, ka mitotaly 8 tapitrisa hatramin' ny 10 tapitrisa ny mpiteny bolgariana. Soratana amin' ny abidy sirilika ny fiteny bolgariana. Ny fiteny slava tranainy, izay atao hoe fiteny bolgariana tranainy koa, no fiteny nipoirany.