Aller au contenu

Fianakaviam-piteny tiorkika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny torkika)
Fitsinjarana ara-jeôgrafia ny fiteny tiorkika

Ny fiteny tiorkika dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 mitsinjara ao amin'ny faritra malalaka izay mivelatra avy any Eorôpa Atsinanana ka hatrany andrefan'i Sina sy avy any Kiprosy (na Sipra) hatrany Siberia, ka ny fiteny tiorka sy fiteny azery ary ny fiteny ozbeka no be mpiteny indrindra amin'izany. Tombanana any amin'ny 200 000 000 any ho any ny isan'ny olona miteny azy ireo ho fiteny nibeazana, ary an-tapitrisany maro ny mampiasa azy ho fiteny faharoa. Ny fianakaviam-piteny tiorkika dia matetika ampifanakaikezina amin'ny fianakaviam-piteny môngôlika sy ny fianakaviam-piteny tongoza ao amin'ny fianakaviambem-piteny altaika, nefa iadian-kevitra fatratra izany famondronana izany.

Anisan'ny toetran'ny fiteny tiorkika ny rafi-pehezanteny LFM (Lazaina - Fameno - Matoanteny), ny rindran-janapeo, ny fanakambanana tsirinteny maro (tovona) ary ny tsy fisian'ny kilasin'anarana sy kilahivavy. Ireo toetra famaritana ireo dia matetika itoviany amin'ireo fiteny môngôlika sy ireo fiteny tongoza, ary amin'ny fiteny kôreana sy ny fiteny japôney ary ny fiteny ainô. Ireo fiteny tanisaina farany ireo dia heverin'ny mpahay teny sasany ho mpihavana amin'ny fiteny tiorkika ao amin'ny fianakaviam-piteny mahafaoka kokoa izay nomena ny anarana hoe fiteny altaika.

Indreto avy ny fiteny lehibe ao amin'io fianakaviam-piteny io miaraka amin'ny isan'ny olona miteny azy avy:

Sampana ao amin' ny fianakaviam-piteny tiorkika

[hanova | hanova ny fango]
Fitsinjarana ara-jeôgrafia ny fiteny tiorkika      fiteny ôgoza      Fiteny kiptsaka      fiteny oigora      fiteny tiorkika siberiana      fiteny ôgora      fiteny argo

Misampana enina ny fianakaviam-piteny tiorkika, dia ny fiteny tiorkika atsimo-andrefana (fiteny ôgoza), ny fiteny tiorkika avaratra-andrefana (fiteny kiptsaka), ny fiteny tiorkika atsimo-atsinanana (fiteny karloka), ny fiteny tiorkika avaratra-atsinanana (fiteny tiorkika siberiana), ny fiteny ôgora, ary ny fiteny argo.

Ny fiteny ôgoza

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny fiteny ao amin'ny vondrona ôgoza:

Ny fiteny kiptsaka

[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fiteny ao amin'ny vondrona kiptsaka:

  • fiteny kiptsaka andrefana: fiteny komana, armenô-kiptsaka, kiptsaka mameloka, karatsay-balkara, komika, krimtsaka, karaima, tataran' i Krimea, oroma.
  • fiteny kiptsaka avaratra (Volga-Ural): fiteny baskira, tatara, tataran' i Siberia (fiteny baraba, tataran' i Tobol-Irtych)
  • fiteny kiptsaka atsimo (aralô-kaspiana): fiteny karakalpaka, kazàka, kirgizy, nôgay.

Ny fiteny karloka

[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fiteny ao amin'ny vondrona karloka:

  • fiteny oigora andrefana: fiteny ozbeka
  • fiteny oigora atsinanana: fiteny tiorka taloha (fiteny oigoro taloha, anisany ny fiteny sari-oigoro na oigora mavo, tiorkikan'i Orkhon, izay samy fiteny maty), tsagatay, oigoro, salara.

Ny fiteny tiorkika siberiana

[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fiteny ao amin'ny vondrona tiorkika siberiana:

  • fiteny siberiana avaratra: (fiteny dôlgana, iakoty).
  • fiteny siberiana atsimo (fiteny tiorkikan'i Sayan, anisany ny fiteny tovàna, tôfalara na tôfa; ny fiteny tiorkika altaiana na fiteny altay, anisany ny fiteny teleota, telengita, toba-kijy, salkando, komanda; ny fiteny tiorkikan'i Ienissei, anisany ny fiteny kakasa, sôra, girgisin' i Fu-Yu: ny fiteny tsolima).

Ny fiteny ôgora

[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrona ôgora:

  • fiteny avaran'i Azia,
  • fiteny honika
  • fiteny kazara
  • fiteny prôtô-bolgara
  • fiteny tsovasa.

Ny fikeny argo

[hanova | hanova ny fango]

Ity ny fiteny ao amin'ny vondrona argo:

  • ny fiteny kalajy na argo

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]