Fanavakavaham-bolon-koditra
Apparence
Ny fanavakavaham-bolon-koditra dia ny finoana fa ny olombelona, araka ny vondrona misy azy, dia manana toetra samihafa mifanaraka amin' ny toetra nolovaina ary azo zaraina araka ny fahambonian' ny foko iray noho ny hafa, indrindra nhy volon-koditra. Mety hidika koa izy io fa fitsarana an-tendrony, fanavakavahana, na fanoherana miantefa amin' ny olon-kafa satria tsy mitovy firazanana na foko izy ireo. Ny fanavakavaham-bolon-koditra môderina dia matetika mifototra amin' ny fomba fijery ara-tsôsialy momba ny fahasamihafana biôlôjika eo amin' ny olona.