Aller au contenu

Eid al-Fitr

Avy amin'i Wikipedia
Fianakaviana ao apin' ny foko Hui mankalaza ny Eid al-Fitr ao Ningxia (Sina)

Ny Eid al-Fitr na Aid el-Fitr dia fety ankalazain' ny Mozilmana maneran-tany hanamarihana ny fiafaran' ny fifehezana (anisany ny fifadian-kanina) izay natao mandritra ny volana Ramadan. Ankalazaina amin' ny andro voalohany amin' ny volana Shawwal ao amin' ny tetiandro mozilmana izany. Miovaova ny daty gregôriana anatanterahana izany satria fohy kokoa ny volana silamo raha mitaha amin' ny volana gregôriana, miroso 11 andro isan-taona. Io no fety voalohany amin' ny fety ôfisialy roa ankalazaina ao amin' ny finoana silamo (ny iray hafa dia ny Eid al-Adha).

Amin' ny teny arabo izany dia atao hoe عِيدُ الْفِطْرِ / ʿĪd al-Fiṭr, izay midika ara-bakiteny hoe "fetin' ny fijanonan' ny fifadian-kanina". Ity fety ity dia fantatra koa amin' ny anarana hoe Eid al-Saghir na Aid el-Saghir (arabo: العيد الصغير / al-ʿĪd al-Ṣaghīr, midika hoe "fety madinika"), izay azo tsorina amin' ny hoe Eid na Aid tsotra izao.

Ny Eid al-Fitr dia anaovana vavaka (salat) manokana izay ahitana fizaràna (rakat) atao any amin' ny toerana malalaka na efitrano lehibe, amin' ny ankapobeny. Ao amin' ny fotoana iarahan' ny besinimaro mivavaka (jamāʿat) ihany no azo anaovana izany ary anaovana fananganana tanana manandrify ny sofina (takbir) fito fanampiny rehefa miteny hoe "Allahu ʾAkbar" (izay midika hoe "Andriamanitra no lehibe indrindra") ao amin' ny Hanafita, izay anisan' ny sekolin' ny silamo sonita: telo no atao amin' ny fanombohan' ny rakat voalohany ary telo alohan' ny rukūʿ amin' ny rakat faharoa. Ny sekoly sonita hafa dia matetika manao takbir miisa 12, mizara ho vondrona misy fito sy dimy.

Ao amin' ny silamo siita, ny salat dia misy takbir enina ao amin' ny rakat voalohany amin' ny faran' ny qira'a, alohan' ny rukū, ary dimy amin' ny rakat faharoa. Arakaraka ny hevitry mpahay lalàna amin' ny toerana misy azy, ity salat ity dia mety ho tsy maintsy atao (فرض / farḍ) na tokony hatao indrindra (مُسْتَحَبّ / mustaḥabb) na tsara raha atao (مندوب / mandūb).

Aorian' ny salat, ny Mozilmana dia mankalaza ny Eid al-Fitr amin' ny fomba isan-karazany ary ny sakafo no mibahan-toerana amin' izany, ka nanome io fety io ny anarana hoe "Eid mamy" na "Fetin' ny siramamy".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]