Wikipedia:Takelaka/10 2024
Ny silamo na finoana silamo na fivavahana silamo (amin' ny teny arabo: الإسلام / AlʾIslām) dia fivavahana abrahamika mifototra amin' ny finoana an' Andriamanitra tokana (Allah) sy amin' ny Kor'any izay heverin' ny Mozilmana fa boky nandraiketana ny tenin' Andriamanitra ara-bakiteny natao sora-tononina. Nambara tamin' i Mohamady, izay ataon' ny Mozilmana ho mpaminanin' Andriamanitra, tany Arabia tamin' ny taonjato fahafito, ny Kor'any. Ny tawhid, izany hoe ny finoana an' Andriamanitra tokana, izay tsy ahitana fanompoana hafa afa-tsy ny fanompoana an' Andriamanitra, no fampianarana fototry ny finoana silamo.
Tamin' ny taona 2015 dia tombanana ho 1,8 lavitrisa ny isan' ny Mozilmana eran-tany, izany hoe 24 % amin' ny mponina maneran-tany, ka ny finoana silamo no fivavahana faharoa lehibe indrindra eran-tany aorian' ny kristianisma sy eo alohan' ny hindoisma. Mizara ho sampana samy hafa ny finoana silamo, ka ny lehibe indrindra dia ny sonisma, izay mitana ny 90 % amin' ny Mozilmana, sy ny siisma ary ny karijisma.
Mônôteista ny fivavahana silamo. Ny anaran' Andriamanitra dia Allah. Izany mahatokana an' Andriamanitra izany no atao amin' ny teny arabo hoe Tawhîd, izay hamafisina amin' ny fiekem-pinoana (arabo: Shahâda) hoe: "Manambara aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary i Mohamady no irak' Andriamanitra" (arabo: "اشهد ان لآ اِلَـهَ اِلا الله و أشهد ان محمدا رسول الله " / ʾašhadu ʾan lâ ʾillâha ʾillâ -llâh, wa-ʾašhadu ʾanna Muḥammadan rasûlu-llâh).
Amin' ny Mozilmana dia i Allah no mpahary izao rehetra izao (na ‘âlam), ka maro ny teny amaritan' ny boky Kor'any ny toetrany, toy ny hoe "mahery", "mahay", "be indra fo", sns. Anarana miisa 99 no omen' ny fivavahana silamo an' ity Andriamanitra tokana ity, izay atao hoe "anaran' Andriamanitra tsara indrindra".
Amin' ny silamo dia tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra.
Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban' olombelona no tsy takatry ny sain' olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin' ny Kor'any, ka zava-miafina tanteraka izy, na "ghayb", tsy hay ampitahaina na amin' inona na amin' inona. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.
Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny fitsarana farany izy. Niseho tamin' ny mpaminany nifandimby Andriamanitra, hatramin' i Adama ka hatramin' i Mohamady. Ny soràta 112 (Al-Ikhlas) dia mamondrona ny fotopotony amin' ny fiheveran' ny silamo an' Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy takatry ny eritreritra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin' inona na amin' inona Izy". Manambara ny toetr' Andriamanitra izay mihoa-draha tanteraka ny Kor'any, nefa milaza koa io boky io fa akaikin' ny olombelona (Kor'any, soràta 50:16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan' ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra izany. (tohiny...)