Vesta (andriamanibavy)
I Vesta dia andriamanibavin' ny virjinin' ny tokantrano sy ny trano ary ny fianakaviana tao amin' ny fivavahana rômana. Mahalana izy no naseho amin' ny endrik' olombelona izy, ary matetika no aseho amin' ny alalan' ny afon' ny tempoliny ao amin' ny Forum Romanum. Tsy nisy olona navela hiditra tao amin' ny tempoliny afa-tsy ny mpisorombaviny, atao hoe Virjiny Vestaly. Noheverina ho tena zava-dehibe teo amin' ny fahaveloman' ny tanànan' i Rôma ny maha virjiny azy ireo; raha hita fa meloka noho ny fahalotoam-pitondrantena izy ireo dia nalevim-belona an-tany na am-pasana. Satria noheverina ho mpiambina ny Rômana i Vesta, ny fetiny, atao hoe Vestalia (Vestalia) isaky ny 7–15 Jona, dia noheverina ho anisan' ny fety rômana manan-danja indrindra. Mandritra ny Vestalia dia mandeha tsy mikapa namakivaky ny tanàna mankany amin' ny tempoly ny renim-pianakaviana (matrôna) nahazo tombony manokana, ary ao izy ireo no manolotra fanatitra sakafo. Nanan-danja tokoa i Vesta teo amin' ny fivavahana rômana satria na dia taorian' ny nipoiran' ny kristianisma dia anisan' ny fivavahana tsy kristiana farany mbola be mpanaraka ny fivavahana aminy, mandra-pandravan' ny emperora kristiana Teôdôsio I izany tamin' ny taona 391.
Vitsy ny fedrà mampiseho an' i Vesta sy ny mpisorombaviny; ny tena niavaka tamin' izy ireo dia ny tantaran' ny firaisan' ny zavatra miendri-pilahiana ramin' ny mpisorombavy virjiny iray, niseho tao amin' ny lelafon' ny afo masina - izay fisehoan' ilay andriamanibavy miaraka amin' ny zavaboary lahy mihoatra ny natoraly. Tamin' ny lovantsofina rômana sasany dia notorontoronina toy izany i Rômolosy sy Remosy, mpanorina an' i Rôma, sy i Serviosy Toliosy, mpanjaka tsara fanahy. I Vesta dia anisan' ny Dii Consentes, andriamanitra roa ambin' ny folo nomem-boninahitra indrindra tao amin' ny panteôna rômana. Izy dia zanakavavin' i Satiorna sy i Ôpsa, ary anabavin' i Jopitera, i Neptiona, i Plotôna, i Jonô, ary i Keresy. I Hestia no mitovy aminy ao amin' ny fivavahana grika.