Sokota
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Fetin'ny tabernakely)
Ny Sokôta na Fetin' ny Tebernakely na Fetin' ny Tranolay dia fety jiosy ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian' Andriamanitra ny Zanak' i Isiraely tamin' ny nivoahany avy any Egipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahana avy tany Egipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona. Ankalazaina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 21 na 22 Tishri ny Sukkot.
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe חַג הַסֻּכּוֹת / Hag ha-Sukkot izay midika hoe "fetin' ny trano lay" na "fetin' ny tabernakely" io fety io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Fetim-pivavahana jiosy: Rosh ha-Shana ("fiantombohan' ny taona"); Yom Kippur ("andron' ny famelan-keloka"); Sukkot ("fetin' ny trano lay" na "fetin' ny tabernakely"); Shemini Atseret ("valo andro fivoriana"); Simkhat Torah ("hafaliana ny amin' ny Lalàna"); Khanukka ("fetin'ny fanorenana"); Tu bi-Shevat ("dimy ambin' ny folo andron'ny Shevat"); Purim; Pesakh (Paska jiosy); Shavuot ("herinandro").