Azia Atsinanana
I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ny firenena hita ao Azia Atsinanana: i Sina, i Kôrea Avaratra, i Kôrea Atsimo, i Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray atao anisan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra Atsinanana Indrindra Rosiana koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Atsinanana Indrindra izy.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ara-tantara dia nisy akony tao amin' ny kolontsain' ny firenena ao Azia Atsinanana i Sina, indrindra momba ny voambolana sy ny fanoratana ary ny finoana sy ny fivavahana. Ny fototr' izany kolontsaina izany dia ao amin' ny tapany atsinanan' i Sina, ny Saikanosy Kôreana ary i Japàna, maro mantsy ny zavatra itovian' ireo faritra sy firenena ireo, toy ny:
- fananana toetany mando antonontonona (toetany kôntinentaly ny any avaratra fa trôpikaly ny any amin' ny farany atsimo) ary mety amin' ny fambolena (varimbazaha, vary indrindra);
- fananana sivilizasiôna efa nisy nandritra ny anarivo taona;
- fomba fanoratana izay nifotoran' ny soratra sinoa;
- ny fivavahana sy ny filôzôfia: bodisma sy taôisma ary kônfosianisma.
Ny fielezan' ny kolontsaina sinoa nankany atsinanana (Kôrea sy Japàna) dia efa tamin' ny taonjato faha-6. Ny fielezan' izany mankany Môngôlia sy any Andrefana tamin' ny taonjato faha-11 niaraka amin' ny dinastia Yuan avy amin' ny Môngôliana noho ny ezak' i Gengis Khan.
Ny mponina
[hanova | hanova ny fango]Tamlin' ny taona 2016 dia nisy mponina miisa 1,6 tapitrisa ny tany Azia Atsinanana, ka 21,8 % amin' ny mponina maneran-tany izany. Izy no faritra faharoa ahitana mponina betsaka indrindra aorian' i Azia Atsimo.
Taona | Azia Atsinanana | Maneran-tany | Isanjato |
---|---|---|---|
1950 | 666 586 000 | 2 525 149 000 | 26,4 % |
1960 | 788 145 000 | 3 018 344 000 | 26,1 % |
1970 | 978 113 000 | 3 682 488 000 | 26,6 % |
1980 | 1 173 372 000 | 4 439 632 000 | 26,4 % |
1990 | 1 368 592 000 | 5 309 668 000 | 25,8 % |
2000 | 1 496 284 000 | 6 126 622 000 | 24,4 % |
2010 | 1 575 320 000 | 6 929 725 000 | 22,7 % |
2016 | 1 618 778 000 | 7 432 663 000 | 21,8 % |
Noho ny taham-piterahana izay ambany dia ambany dia tsy mitsaha-midina ny isanjaton' ny mponina ao Azia Atsinanana raha ampitahaina amin' ny isan' ny mponina maneran-tany. Fanampin' izany dia faritra ahitana fihanteran' ny mponina haingana indrindra i Azia Atsinanana.