Tetikasa iray lehibe iarahantsika manamboatra ny rakipahalalàna (encyclopédie) malagasy amin'ny internet. Raha tianao dia azonao atao ny misoratra ho mpikambana.
Mba hahazoantsika sary an-tsaina hoe ahoana ny momba ny wikipedia dia
azontsika jerena ny amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny anglisy. Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia mandehana eto na eto.
Amin'izao fotoana izao dia misy Takelaka98 294 voaangona ato
Mpikambana 34 266 no nanoratra anarana ato,
dia miandry anao hanatevin-daharana.
Ao amin' ny Faritra Anosy ao atsimo-atsinanan' i Madagasikara no tena fonenan' izy ireo, na dia eo aza ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, izay nifindran' ny sasany tamin' ireo Antanosy taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy.
Tamin' ny taonjato faha-19 ny Antanosy dia nibodo ny ampahan-tanin' ny Mahafaly sy ny an' ny Bara, hatrany amin' ny reniranon' i Onilahy any atsimo-andrefana, noho ny fahaiza-manaony. Izany fifindrà-monina izany dia vokatry ny fahatongavan' ny tafika merina tany Anosy[1].
Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013[2]. 2 % n' ny vahoaka malagasy eo ho eo ny Antanosy, ka isan' ireo vondrom-poko madinika eto Madagasikara amin' ny isan' ny mponina sy amin' ny velaran' ny tany nonenan' ny razany[3].
Ny razamben' ny Antanosy ankehitriny dia nifindra monina avy any avaratra tokony ho 150–200 taona lasa izay. (tohiny...)
Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[4]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.
Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.
Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[5]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[6]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[7].
(tohiny...)
Ity ny pejy momban'ny efemerida miseho eo amin'ny pejy fandraisana. Ny pejy efemerida dia fahatsiarovana aseho eo amin'ny pejy fandraisana ary miova isan-andro.
Ankehitriny eto amin'ny wikipedia malagasy, ny isan'ny lahatsoratra efa noforonina dia misy 98 294. Mpikambana 34 266 no efa nisoratra anarana teto, ary 52 tamin'ireo no nanova pejy teto tamin'ny 30 andro lasa teo.
Ny Wikipedia dia raki-pahalalàna azon'ny tsirairay ovaina, ary tonga dia hitan'ny mpitsidika avy hatrany ny fanovana notehiriziny, raha manaraka ny fitsipika napetraky ny fikambanana. Misy pejy fanoroana sasantsasany afaka manoro anao hoe ahoana no manova ny pejy na manova lahatsoratra, na mampiditra sary. Anontanio ny mpandrindran'ity wiki ity raha manana fanontaniana manokana ianao.
Ho raisina ao amin'ny pejin-dresaka na ao amin'ny toerana iombonana ny adihevitra mety hisy mikasika ny lahatsoratra. Ny pejin-dresaka dia ahafahana manapa-kevitra momban'ny votoatiny tokony apetraka na tokony esorina, ary ahafahana maminavina ny hatsara ny lahatsoratra.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.