Aller au contenu

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 100 116 amin’ny teny malagasy

Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Sainan' i Etazonia

Ny tantaran'i Etazonia dia nanomboka rehefa tonga tao Jamestown (tanàna ao Virginia) ny voanjo anglisy voalohany tamin' ny taona 1607, dia vitsy mponina ny Kôntinenta Amerikana nandritra ny an' arivony taona maro, ary tsy nisy mponina afa-tsy ny Amerindiana. Ny faritra misy an’ i Etazonia ankehitriny dia nozanahin' ny firenena eorôpeana isan-karazany nanomboka tamin' ny taonjato faha-17 (i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa (Frantsa Vaovao). Te hanafaka ny tenany tamin' i Britaina Lehibe sy hanangana fanjakana an' ny tenany manokana ny mponin' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nanambara ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1776. Taorian' ny ady ho an' ny fahaleovantena izay nahomby, dia namorona firenena vaovao izy ireo izay nantsoiny hoe "Etazonian' i Amerika" (anglisy: United States of America), nampitambatra ny fanjakana telo ambin' ny folo, dia i New Hampshire, i Massachusetts, i Connecticut, i Rhode Island, i New York, i New Jersey, i Pennsylvania, i Delaware, i Maryland, i Virginia, i North Carolina, i South Carolina ary i Georgia. Taorian' izay, nitombo ny tanim-pirenen' i Etazonia tamin' ny fampidirana fanjakana vaovao (ohatra, ny fividianana an' i Louisiana, ny ady nifanaovan' ny Meksikana sy ny Amerikana, ny fividianana an' i Alaska, sns) hizay nitohy atramin' ny taonjato faha-20.

Na dia nandalo ady an-trano tany am-piandohan' ny taompolo 1860 aza i Etazonia dia nandroso haingana noho ny fidiran' ny mpifindra monina eorôpeana tamin' ny taonjato faha-19. Tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany dia i Etazonia no lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany, nihoatra ny firenena lehibe indrindra tany Eorôpa. Tsy niala tamin' io laharana io izy taorian' izay, ka lasa mpitarika ny "tontolo malalaka" taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Na izany aza, ny fahareseny tamin' ny fiafaran' ny ady tany Vietnamy tamin' ny taona 1975 dia niteraka fanohintohinana ny fahatokisan-tenan' ny Amerikana, na dia nanampy ny fitazonana ny fanjakazakany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny toerana misy azy ny faharavan' ny Vondrona Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Ankizy mahafaly

Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.

Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.

Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly.

Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].

(tohiny...)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


 Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
  2. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
  3. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
  4. Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).