Ny zavamaneno misy tadiny na kôrdôfônina dia zavamaneno mamoaka feo avy amin' ny fihovitrovitry ny tady iray na maromaro eny aminy, kasihina, kitihina na velezin' ny mpitendry zavamaneno amin' ny rantsan-tanany mivantana na amin' ny alalan' ny fampiasana fitaovam-pikasohana na fikitihana na fivelezana.
Efa arivo taona maro ny tantaran' ny zavamaneno misy tadiny. Ny voalohany angamba dia zavamaneno tsy nanana afa-tsy tady iray, sahala amin' ny jejilava. Efa fantatra hatrany Ejipta fahiny ny mpilalao harpa. Tamin' ny Andro Antenatenany dia nampiasa karazana valiha, sns ny mpitendry mozika.
Ny mpitendry zavamaneno dia milalao zavamaneno misy tadiny, toy ny gitara, amin' ny fikitihana ny tady amin' ny rantsantanany na amin' ny zavatra hafa, ary ny zavamaneno hafa amin' ny fivelezana ny tady amin' ny alalan' ny tantanana hazo maivana na amin' ny fikasohana ny tady amin' ny fitaovana toy ny tsipìka atao hoe fikasohana, ka anisan' ireo zavamaneno ireo ny lokanga. Amin' ny zavamanenomisy kitendry sasany, toy ny klavesinina, ny mpitendry dia manindry ny kitendry izay mikitika ny tady. Ny zavamaneno hafa dia mamoaka feo amin' ny alalan' ny fikapohana ny tady.
Raha mampiasa zavamaneno kasohin-tadiny (lokanga) ny mpitedry zavamaneno dia misintona na mampandroso fikasohana, vita amin' ny volom-bombon-tsoavaly nohosorana karazana ditin-kazo (hazo kesika indrindra), eo amin' ny tady, ka mahatonga azy ireo hihovitrovitra. Raha mamiasa viela kosa ilay mpitendry dia manodina kodia izay mikasoka amin' ny tady ny sisiny nohosorana ditin-kazo.
Ny zavamaneno ampiasana fikasohna dia ahitana ny andian-javamaneno misy tadiny ao amin' ny ôrkesitra amin' ny mozika klasika tandrefana (fianakavian-dokanga) sy zavamaneno maro hafa (ohatra ny viôla sy ny gamba nampiasaina tamin' ny mozika tany am-boalohany tamin' ny mozikan' ny Vanim-potoana Barôka sy ny lokanga nampiasaina tamin' ny karazana mozikam-poko maro). Azo kitihina amin' ny rantsantanana ihany koa ny zavamaneno rehetra misy tadiny ampiasana fikasohana, teknika antsoina hoe "pizzicato". Teknika isan-karazany no ampiasaina hampanenoana ny gitara elektrika, ao anatin' izany ny fikitihana amin' ny hohon-tanana na amin' ny alalan' ny plektra, sns.
Ny zavamaneno misy tadiny sasany dia tena kitihina, anisan' izany ny harpa sy ny gitara beso elektrika. Ohatra hafa koa ny sitara, ny rebaba, ny banjô, ny mandôlinina, ny okolele, ary ny bozoky.
Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.
Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.
Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].
Mbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Alakamisy 8 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity.
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.