Wikipedia:Fandraisana

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 98 840 amin’ny teny malagasy

Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana

Takelak’ity volana ity

Sarin' i Nelson Mandela nandatsa-bato tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 1994. Sambany i Mandela no nandray anjara amin' ny fifidianana teo amin' ny fiainany. Ity sary ity dia nalaina tao amin' ny Ohlange School, any Inanda, any Durban ao Afrika Atsimo.

Ny demôkrasia dia karazana fitondrana fanjakana ahitana rafitra ahafahan' ny vahoaka na ny solontenany manapa-kevitra momba ny fomba tokony hitondrana ny vondrom-bahoaka na ny firenena na ny fikambanam-pirenena misy azy. Avy amin' ny teny grika hoe δημοκρατία / dēmokratía, izay midika hoe "fanjakan' ny vahoaka" na "fitondram-bahoaka" ny teny hoe demôkrasia. Ny demôkrasia, tamin’ ny voalohany, dia rafitra pôlitika izay mamela ny vahoaka ho tompon' ny fahefana, izay mampiasa izany mivantana na amin' ny alalan' ny solontena voafidy. Izany dia mifototra amin' ny ainga fototra toy ny fandraisan' ny olom-pirenena anjara, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna, ary ny fanajana ny zo fototra.

Ny demôkrasia amin' ny alalan' ny solontena (mpitondra fanjakana) izay fidin' ny olom-pirenena, mba hanapa-kevitra mikasika ny lalàna, no karazana demôkrasia mahazatra. Atao isaky ny taona vitsivitsy ny fifidianana ny solontena. Amin' izany fotoana izany dia izay mahazo vato be indrindra no mandresy ary lany hamita ny andraikitra ankinina aminy, mandra-pahatongan' ny fifidianana manaraka.

Ampahany manan-danja ao amin' ny demôkrasian-tsolontena ny antoko pôlitika. Mpikambana ao amina antoko pôlitika na ao amina fikambanana iombonan' ny mpanao pôlitika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao ny mpanao pôlitika. Noho izany, eo amin' ny fifidianana dia olona iray fotsiny no fidin' ny olom-pirenena, fidin' ny antoko pôlitika misy azy koa. Manao fanamafisana ny demôkrasia matetika ny fanjakana iray mba hahamarin-toerana ny demôkrasia.

Ny demôkrasia, izay mampanjaka ny hevitra hoe "fitondrana vahoaka, sahanin' ny vahoaka ary ho an' ny vahoaka", ohatra dia lazaina fa "mivantana", rehefa omena andraikitra tokoa ny vahoaka amin' ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin' ny vondrom-bahoaka (ohatra, manao latsa-bato handany lalàna), na "misy solontena", rehefa manolotra an-kalalahana ny fahefana hitondra amin' ny olom-boafidy ny vahoaka. Sady heverina ho soatoavina, mamorona tanjona hotratrarina (fahafahan' ny rehetra tanterahina ao anatin' ny fandaminana iombonana), no sady teknikam-pitondram-panjakana ny demôkrasia izay miseho amin' ny môdely sy endrika maro samihafa.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Ankizy mahafaly

Ny Mahafaly dia vondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' ny lembalemba be sokay sy fasika izay mitondra io anarana Mahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manao sary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboarana aloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja ny razana sy ny mpanjaka maty. I Betioky sy i Ejeda ary i Ampanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' ny fady amin' ny Mahafaly, toy ny Antandroy koa, ny mihinana sokatra (mahafaly: sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompy omby sy osy sy ondry ary akoho amam-borona (anisan' izany ny vorontsiloza) ny Mahafaly. Mamboly mangahazo sy voamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.

Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Afrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.

Miteny mahafaly, izay fitenim-paritra mifanakaiky amin' ny fiteny antandroy, izay fiteny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana ny Mahafaly.

Ny anarana hoe Mahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny ony Menarandra sy Onilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoe Mahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].

(tohiny...)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


 Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge.
  2. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
  3. Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.
  4. Zimmermann, Maurice (1911). "Le pays Mahafaly dans le sud Malgache". Annales de Géographie. 20 (110).
Fiteny